24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.

• Manamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny ady amin'ny hosoka ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary, ny fandin-tseranana malagasy. Namoaka ny andiany faharoa min'ny Brigade canine, izy ireo androany... • Dahalo miisa efatra no lavon'ny balan'ny zandary tao amin'ny Distrikan'Isandra. Olona iray isan'ireo mpanara-dia koa no maty nandritra ny fifandonana, ary olona efatra hafa naratra... • Miato noho ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina anatin'ny fari-piadidian'ny APF any Sainte Marie, nanomboka androany zoma...

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...