Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.