Tsy dia mahataitra loatra ireo ray aman-dreny niteraka sy ireo mpanabe ny fahitana ny zanany na ny zaza iray manaikitraikitra hoho, kanefa dia misy fiantraikany any amin'ny fiainany manontolo, any maha izy azy mihitsy izany. Resahana io lohahevitra izao mba hahafantaran'ny mpihaino fa misy antony mahatonga io tranga io.

Alahady 01 desambra 2019 - Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44.
Asehoy anay ry Tompo ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.

Vahinin'ny Papa François tao Vatican, omaly alakamisy ny filohan'ny repoblikan'i Estonie, ramatoa Kersti Kaljulaid. Nihaona tamin'ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa, Monseigneur Gallagher, izy avy eo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...