Tsy dia mahataitra loatra ireo ray aman-dreny niteraka sy ireo mpanabe ny fahitana ny zanany na ny zaza iray manaikitraikitra hoho, kanefa dia misy fiantraikany any amin'ny fiainany manontolo, any maha izy azy mihitsy izany. Resahana io lohahevitra izao mba hahafantaran'ny mpihaino fa misy antony mahatonga io tranga io.

0 : 00

Matetika dia tahotra ao anaty no tena antony, ary mandrakariva dia ny tanany ankavia no kaikikaikeriny. Anisan'ny antony nahatonga izany ny fampisarahina nono aloha loatra. Ny zaza miaina ity tranga ity dia mora tohina, mora tezitra, saro-kenatra, be ahiahy sy be tahotra. Vokany, misy fiantraikany any amin'ny fiaianany manontolo izany. Tsy azo bedesina izy, tsy azo rahonana, tsy azo saziana fa mandratra azy izany.

Ny tokony atao dia hazavaina aminy fa misy voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana io. Ampanaovina <<travail manuel>> asa tanana izy, mba hanadinoany ilay fanaikerana. Raha olon-dehibe no tratra ity tranga ity dia mila torimaso.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...