Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.

Nandefa hafatra maneho izay firaisampony izay ho an'ny vahoaka albanais i Papa François, tamin'ny "Audience Générale" teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, tamin'ny alarobia teo. Nivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo namoy ny ainy sy mba hahazoan'ireo naratra fahasitranana haingana ary nankahery ny fianakavian'ireo niharam-boina. Ankoatra izay dia nandefa telegrama maneho fiaraha-miory tamin'ny filohan'ny repoblika albanais koa ny Papa. Nahatratra 6,4 tamin'ny maridrefy Richter, tsiahivina, ny herin'io horohorontany niseho tany Albanie io. Tafakatra 20 any ho any ny namoy ny ainy vokatr'izany ary an-jatony ny naratra, raha ny tarehimarika vonjimaika. Maro ny fotodrafitrasa rava sy nahitana fahasimbana ary mbola manohy ny asany ireo mpamonjy voina isan-tsokajiny. Manoloana izoa voina izao dia natokan'ny fitondram-panjakana albanais ho andro fisaonam-pirenena ny tamin'ny alarobia teo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...