Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.

Nandefa hafatra maneho izay firaisampony izay ho an'ny vahoaka albanais i Papa François, tamin'ny "Audience Générale" teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, tamin'ny alarobia teo. Nivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo namoy ny ainy sy mba hahazoan'ireo naratra fahasitranana haingana ary nankahery ny fianakavian'ireo niharam-boina. Ankoatra izay dia nandefa telegrama maneho fiaraha-miory tamin'ny filohan'ny repoblika albanais koa ny Papa. Nahatratra 6,4 tamin'ny maridrefy Richter, tsiahivina, ny herin'io horohorontany niseho tany Albanie io. Tafakatra 20 any ho any ny namoy ny ainy vokatr'izany ary an-jatony ny naratra, raha ny tarehimarika vonjimaika. Maro ny fotodrafitrasa rava sy nahitana fahasimbana ary mbola manohy ny asany ireo mpamonjy voina isan-tsokajiny. Manoloana izoa voina izao dia natokan'ny fitondram-panjakana albanais ho andro fisaonam-pirenena ny tamin'ny alarobia teo.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...