Vahinin'ny Papa François tao Vatican, omaly alakamisy ny filohan'ny repoblikan'i Estonie, ramatoa Kersti Kaljulaid. Nihaona tamin'ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa, Monseigneur Gallagher, izy avy eo.

Fihaonana faharoa teo amin'ny roa tonta io tao Vatican io, taorian'ny namangian'ny Papa François an'i Estonie tamin'ny 25 septambra 2018. Nifantohan'ny dinik'izy ireo ny endrim-pifandraisana mahavelom-bola eo amin'i Vatican sy Estonie. Noresahina koa ny manodidina ny fanabeazana, ny fiarovana sy fiahiana ny voahary ary ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Ankoatra ireo, voaresakana tamin'io fihaonana io koa ny momba ny raharaha iraisam-pirenena mafampana ankehitriny. Isan'izany ny toe-draharaha any Ukraine sy ny ho avin'i Eraopa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...