Ry kristianina havana sy isika vahoakan’Andriamanitra rehetra, homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo. Tapitra izay ny fotoana niomanantsika amin’ny fiavian’ny Tompo. Nanomana ny vatana sy ny fo amam-panahintsika isika, mba handray ilay MESIA nampanantenaina. Ka dia tonga tokoa ny Noely, fety lehibe mamin’ny fontsika indrindra, satria mampahatsiaro antsika ilay “Emanoela”; izany hoe: “amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 23). Rahefa tonga Nofo tokoa i Jesoa, “Ilay hamonjy ny olony” (Mt 1, 21) dia nanambara tamintsika fa “Zanak’andriamanitra isika” (Jo 1, 12- 13).
Ny sitrapon'Andriamanitra mihitsy no tena katsahin'i Jesoa, araka izay voalaza ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo : "ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahakany any an-danitra.", manamafy izany koa ny voalaza ao amin'i Joany : " Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.
Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara dia faly miarahaba antsika jiaby, tratran'ny Noely sy ny Taom-baovao 2025. Tonga, teraka eo anivontsika i Jesoa. Tonga miara-dia amin'izao tontolo izao, ary miara-dia amin'ny Eglizy. Tonga, teraka ao an-tranon'omby Izy, tranon'omby izay sisin-dalan'ny fiaraha-monina. Mampahatsiaro antsika àry i Jesoa, mba tsy ho tavela, tsy ho adino eo amin'ny sisin-dalana ny ankizy mahantra sy mijaly.
25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco