I Jesoa dia efa mahafantatra hoe "Masina Andriamanitra", araka izay voalaza ao amin'i Joany 17, 11 : "Ray Masina ô, Tehirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy." Efa ilay vavaka nampianarin'ny Tompo mihitsy no fampiharana, araka izay volaza ao amin'i Lioka 11, 2 : " Raha mivavaka ianareo, manaova hoe - hohamasinina anie ny anaranao."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 7-10)

Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; satria naterak’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

Anaka,
aza mety hofitahin’olona ianareo,
fa izay manao ny marina ihany no marina
toa Azy marina koa.
Izay manota dia avy amin’ny demony,
fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony.
Ary ny handrava ny asan’ny demony
no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra,
sady naterak’Andriamanitra izy
ka tsy mahazo manota.
Amin’izany no ahafantarana
izay zanak’Andriamanitra
sy izay zanaky ny demony.
Izay rehetra tsy manao ny marina
dia tsy avy amin’Andriamanitra,
toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Zahao, ry vazan-tany rehetra ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.

Aoka hidoboka anie ny rano,
ny ranomasina sy ny mponiny!
Ka hitehaka anie ny ony ;
hitotorebika koa ny vohitra!

Mba hitsena ny Tompo tamy
hitsara ny olona tsy an-kanavaka:
ary hitsara ny firenena
am-pahamarinana sy ara-drariny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe..

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

Efa hitanay ny Mesia.

Taorian’ny batemin’i Jesoa,
dia mbola teo koa i Joany Batista
sy mpianany roa lahy;
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:

“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.”

Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:

“Inona no tadiavinareo?”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Raby,
(izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Avia fa ho hitanareo.”

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.

I Andre, rahalahin’i Simôna Piera,
no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany
ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe:

“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy raha adika).

Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

“Ianao no Simôna, zanak’i Joany;
hatao hoe Sefasy ianao”, izany hoe, Piera.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 29 — 3, 6)

Izay rehetra mitoetra ao amin’Andriamanitra dia tsy manota.

Ry malala,
raha fantatrareo fa marina Andriamanitra,
dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina
dia zanany naterany.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika
amin’ny iantsoana antsika hoe:
zanak’Andriamanitra,
sady tena izany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy
dia manadio ny tenany,
mba ho madio tahaka Azy.
Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna,
satria ny ota dia fandikana ny lalàna.
Fantatrareo anefa fa Izy no niseho
dia mba hanala ny fahotana;
ary tsy mba misy ota ao aminy.
Izay rehetra mitoetra ao aminy,
dia tsy mba manota;
ary izay manota
dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 3de-4. 5-6

Zahao, ry vazan-tany rehetra ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.

He zahao e, ry vazan-tany,
izato Vonjin’Andriamanitra.
O, ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana.

Ndao antsao amim-baliha ny Tompo,
anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara,
enti-midera ny fiandrianany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)

Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.

Nony nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany Batista
dia nanao hoe:

“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra;
indro ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy ilay nantsoiko hoe:

Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano.”

Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:

“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra
toy ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:

Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina
sy hitoerany eo amboniny
no ilay manao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...