Ny olona rehetra dia mety ho tratran'ity olana ity, ireo 6 volana no mihoatra, fa ireo 55 taona no mihoatra no tena tratran'ity "mifarina" ity. Samy manana ny fahazarany sy ny toe-batany ny olona tsirairay, amin'ny resaka fivalanana (mangery) mety hoe in-dray hatramin'ny in-telo isan'andro, mety in-droa na in-telo isan-kerinandro. Ny mifarina eo amin'ny olon-dehibe dia ireo izay mangery latsaky ny in-telo isan-kerinandro. Ny tsy fahampian-drano anatin'ny vatan'ny olona no mety ho antony...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Miroso ny fiomanantsika Malagasy amin'ny fandraisana ny fihaonamben'ny Tanora Afrikinina "Youth Connect Africa" andiany faha-8 amin'ny taona 2025...
  • Nanamafy ny fahavononany hanatsara ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fiatrehana ny valan'aretina eto Madagasikara i Etazonia...
  • Nandresy tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao Antananarivo renivohitra i Harilala Ramanantsoa avy amin'ny IRMAR, raha ny vokatra navoakan'ny CENI omaly...
  • Teratany Israelianina miisa 16 no naratra androany voakatry ny tifitra balafomanga nataon'ny mpihoko Houthis avy any Yemen tany Jaffa manakaiky an'i Tel Aviv ; Fatina miaramila miisa 503 no naverin'i Rosia tany Ukraine omaly

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra ny varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria Tsy Azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Tsy manohintohina ny voka-pifidianana ary tsy misy fiantraikany tamin'ny latsa-bato ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo, hoy ny filohan'ny CENI omaly, nandritra ny famoahana ny voka-pifidianana ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
  • Nanomboka niasa alina ny fiara mpitatitra ao Antananarivo renivohitra iatrehana ny fetin'ny faran'ny taona...
  • Tafakatra 800 tapitrisa Euro ny teti-bidin'ny fahasimbana vokatr'ilay rivo-doza Chido tany Mayotte...

Ny fianakaviana kristianina no voalohany amin'ny toerana fanabeazana amin'ny fivavahana ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana dia manjary "Fiangonana ao an-tokantrano" izy. Ao amin'ny fianakaviana ny zanak'Andriamanitra no mianatra mivavaka. Fofon'ain'ny finoana ny vavaka, ilaina araka izany ny mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...