27 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

Iray amin’ireo toetra mampiavaka ny kristianina ny fijerena manokana ireo madinika sy ny mahantra. Tsy allérigique amin’ny mahantra na oviana na oviana isika, fa saingy mila kolokoloina anefa ny fifandraisantsika amin’izy ireo. Endrik’i Jesoa mila fiantrana amintsika izy ireny ka mila hatsaraintsika hatrany ny fanehoantsika ny fiantrana azy ireny ; mila hatsairaina ihany koa ny fitenintsika sao mandratra azy ireny, toy izany ihany koa ny fihetsika sao manafintohina azy.

Mila famolahan-tena manokana avy amintsika anefa izany; famolahan-tena mety haharary sy hampangirifiry satria hiala amin’ny fahazaran-dratsin’ireo taovam-pandrenesantsika. Aza matahotra anefa isika fa vonona ny hanome ny fahasoavany antsika i Jesoa Kristy, matoa Izy no mitaky an’izany amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...