Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: "Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny." Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: "Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."
Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany, ka izao no navaliny azy: "Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.
Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: "Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io." Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: "Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao." Dia hoy izy: "Lazao, ry Mpampianatra." Ary hoy i Jesoa: "Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?" Dia hoy i Simôna namaly Azy: "Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa." Ary hoy Izy taminy: "Marina ny anao."
Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: "Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana." Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: "Voavela ny helokao." Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: "Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?" Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: "Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra."
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco