Tamin’izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: "I Joany no nitsangan-ko velona"; ny sasany nilaza hoe: "I Elia no niseho"; ary ny sasany nanao hoe: "Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona." Dia hoy kosa i Herôda: "Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?" Dia naniry hahita Azy izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: "Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo." Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: "Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany". Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: "Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra". Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: "Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy".
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco