Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.
♦ Nanamafy ny fisian'ny fandosiran'ireo voafonja tao amin'ny fonjan'i Maindrivazo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Atao mirazotra manomboka izao, ny tetik'asa hampandrosoana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fako 30 taonina isan'andro kosa no ariana eto Antananarivo sy ny manodidina...
Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.
♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco