Sabotsy 15 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17

Henontsika teo fa tsy mba nampatahotra na nampihemotra an'i Jesoa ny eso sy ny fanaratsiana natao azy, niantrano sy niara-nisakafo tamin'ny mpanota. Toe-javatra nanehoany ny antony nahatongavany, nakany nofo sy nonina teo anivontsika io : "Tonga hiantso ny mpanota". Isika tsirairay avy io nahatongavany io ; tsy misy afa-milaza fa marina eo anatrehan'Andriamanitra isika. I Levi eto no solontenantsika tsirairay avy, sady mampianatra antsika hahatsapa ny ratsy iainana sy sahy mampiantrano an'Andriamanitra, hialana ao anatin'ny fahotana ; ary mampahafantatra antsika ihany koa fa ny mpitsabo afaka hanasitrana antsika amin'izany dia i Kristy, "Ilay tsy tonga ho an'ny marina, fa ho an'ny mpanota".

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...