♦ Tetik'asa hanovana ny rivotra eny amin'ny atmosfera ho rano madio, hanampiana ny mponina any atsimo, no entin'ny ekipa malagasy mandray anjara amin'ny fifaninana "First Global Challenge, karakarain'ny STEM For Good. Manohana ny Malagasy ny OIT... ♦ Hanampy ny tanora manana tetik'asa tsara ka mendrika tamin'ny Tosik'Art ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera... ♦ Nanentana ny mponina hanaja ny soatoavina  ny CFM, manoloana ny vaky fasana any Itasy...

Tamin’izany andro izany, namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay". Fa hoy i Jesoa: "Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo".

Tamin’izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona." Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.

Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?" Ary namaly ireo ka nanao hoe: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona." "Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao hoe: "I Kristin’Andriamanitra." Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo."

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...