Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Feno 30 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity moa izany foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano izany...

Mifototra amin'ny fikarohana sy fampandrosoana, ny fampiofanana ary tohana ara-kevitra ny sehatr'asan'ny Foibe FAFIALA hatramin'izay. Omena lanja manokana amin'ny asa fampandrosoana voiziny kosa amin'izao fotoana izao ny politika ankapoben'ny Fanjakàna sy ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy. Miompana amin'izany avokoa ny fototra iorenan'ny asa fampandrosoana ilofosany, dia ny eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana madinika haingam-pihodina izay manaja ny rohy voaary sy ny tontolo iainana.

Isan'ny sehatra hananan'izy ireo fahaiza-manao manokana ny fiompiana landy. Hanamafy orina ny fampiroboroboana ity lalam-pihariana ity ny FAFIALA amin'izao 30 taona nijoroany izao. Ho isan'ny politika ankapoben'ny fampandrosoana eny ambanivohitra voizin'ny Foibe ny fiompiana landy : Maherin'ny 6 000 isa ny tantsaha, ny teknisiana, ny tompon'andraikitra eny anivon'ny fikambanana nofanin'ny Foibe FAFIALA hanabe voa ny famokarana ilofosany nandritra ny 30 taona. Fiofanana niompana tamin'ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy fampivoarana ny eny ambanivohitra.

Nametrahan'ireo mpiara-miombon'antoka marobe ny fitokisany, na ara-bola na ara-teknika ny Foibe FAFIALA, niatomboka tamin'ny tohan'ny InterCooperation Suisse ka nahafahany nanao ny asa fampandrosoana nahenika ny lafy valon'ny nosy. Mitohy hatramin'izao izay fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka izay hoy ny tale mpanatanteraky ny FAFIALA, Raveloarijaona Nonat.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...