♦ Hampakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra amin'ity taona ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Foibe Fitantanana ny Hetra. Tsy nisy afa-tsy 10,9% izany, tamin'ny taon-dasa... ♦ Miverina mianatra avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy amin'ny alatsinainy 17 janoary, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hotanterahana ny alatsinainy 18 hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 kosa ny Baccalauréat, ho an'ny fampianarana ankapobeny...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...