Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12

Fihetsika mampitolagaga sy mahavarina no nataon'ireto olona mitondra marary teo anatrehan'i Jesoa : nino sy natoky ny fahefany afaka hanasitrana ka nanao izay hahatanteraka izany. Ny finoana nanan'izy ireo no hitan'i Jesoa voalohany ka nanasitranany ity marary nentina teo aminy. Ilazana amintsika izany fa raha tsy eo ny finoana dia sarotra amintsika ny hanatona an'Andriamanitra, hatoky azy ary hiandrandra izay nampanantenainy antsika ; ary tsy ho adinoina ihany koa fa ny zava-manahirana hanatonana an'Andriamanitra dia tokony hitondra fihavaozan'ny tena sy ny fiainana manontolo, izany hoe, hizotra amin'ny fibebahana : handray ny indrafon'Andriamanitra, hanova famindra amin'ny fiainana manontolo.

Ny aretim-panahy no tokony entintsika voalohany eo amin'i Jesoa, mba hositraniny, sy tokony hifanampiantsika mandrakariva koa. Vitsy manko ny miaiky ny maharary azy ara-panahy ankehitriny ; vitsy koa no sahy miroso hiova famindra, hiaina ny Evanjely. Fa maro kosa ireo miaina ao anatin'ny haratsiana sy ny tsy te hiala ao ary tsy mahalala intsony ny haratsin'ny ratsy ataony. Izany indrindra no ilana antsika tonga saina, isika mino, isika mpivavaka mba hifanampy amin'izy ireny ;  tsy hijery arina an-tava fa hitarika azy hanatona an'Andriamanitra, hanova fiainana, hanova izao tontolo misy antsika ankehitriny izao.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...