♦ Voafidy hitantana ny Fivondronamben'i Evekan'i Madagasikara manomboka izao ny Evekan'i Morondava Raharilamboniaina Fabien... ♦ Hotanterahana ny alakamisy 18 novambra izao indray ny dinika politika iarahan'i Madagasikara sy ny vondrona eraopeana. Dinika andiany fahasivy hatao eto Antananarivo... ♦ Ankizy miisa sivy niala tao an-tranon'ny ray aman-dreniny no hitan'ny polisim-pirenena, 13 taona hatramin'ny 16 taona izy ireo...

Ny fifanampiana izay endriky ny fanehoana fitiavana dia tsy eo amin'ny olon-droa fotsiny ihany, fa eo amin'ny sehatra samihafa. Ny zavatra atao am-pitiavana tsy maintsy misy vokatra tsara. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Voafidy hitantana ny Fivondronamben'i Evekan'i Madagasikara indray manomboka izao ny Evekan'i Morondava Mgr Raharilamboniaina Fabien... ♦ Baomba kitra, hihaona any Benin indray anio hariva ny barean'i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena beninois... ♦ Manome telo andro ny fitondram-panjakàna ny sendikan'ny delegem-panjakàna hijery vahaolana momba ny taratasin'omby miteraka olana, amin'izao fotoana izao...

Ilaina ny fifandraisan'ny samy tanora amin'ny fanorenana ny ho avy. Misy tanora mihanona amin'ny fifandraisana amin'ny namana tokana ary misy ireo miaina ny fifandraisana "virtuelles" na anaty tambajotra sosialy. Ilaina ny fisokafana amin'ny hafa indrindra amin'ny mpiray finoana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...