Alakamisy 11 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25
♦ Natsahatra ny fampiharana ilay fampakarana ny saran-dalana hatrany amin'ny 60% ho an'ny zotra nasiônaly, izay notapahan'ireo mpitatitra ny faran'ny herinandro teo. Hisy vaomiera hatsangana hiarahan'izy ireo amin'ny minisitera mpihahy hidinika ny momba izany... ♦ Manome telo andro ny fitondram-panjakana hitady vahaolana momba ny bokin'omby sandoka, izay mahatonga ny fanagadrana ireo delegem-panjakana, ny sendikan'ny Assistants d'administration eto Madagasikara...
♦ Ho dinihan'ny solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna voalohany 2022, efa tonga teny Tsimbazaza tamin'ny 29 Oktobra 2021... ♦ Tsy misy gadra politika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa noho ny heloka hafa nataony, hoy ny Ministry ny fitsaràna... ♦ Nosamborin'ny mpitandro filaminana teny amin'ny Aéroport Ivato omaly ny ministry ny kolontsaina sy ny asa tanana teo aloha, Randrianarisoa Vaonalaroy... ♦ Nisy nitoraka grenady alina ny trano fanaovam-pirintin'ny "La Gazette de la Grande Îles" eny Tanjombato...
Mba hananana na hitazomana ny fahasalamana dia tsy maintsy mametraka tanjona isika. Isan'ny lohahevitra noresahana ny hoe : fialàna na fampihenana ny fandraisana zava-madomelina, eo koa ny fitozoana ara-batana. Isan'ny fototry ny fahasalamana ny sakafo, torimaso, fampiasam-batana. Manampy ny vehivavy hiatrika ny adidiny ny fandrindram-piterahana sy ny fahalalana manodidina ny fadimbolana. Ilàna tombana avokoa izay natao rehetra mba hamaritana izay tokony hatao indray...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco