♦ Napetraka ny fepetra amin'ireo orinasa mpanamboatra lalana. Hiantso an'ireo tsy afaka nisitraka vola tamin'ny fitondrana ny MTP, manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Mananosarotra ny fanaraha-maso ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ady atao amin'ny sambo mpanjono an-tsokosoko noho ny tsy fahampian'ny fitaovana... ♦ Miara-miasa amin'ny tantsaha mpamokatra amin'ny fisafidianana ny karazam-bary vaovao mety amin'zy ireo sy ny mpanjifa ny mpikaroka, tahaka ny vokatry ny tetik'asa Fy Vary...

Ny tanora dia afaka manantona ny pretra amin'ny fotoana rehetra. Ny Papa Fransoa dia nilaza matetika fa tokony hiara-dalana mandrakariva amin'ny tanora ny pretra sy ny mpanabe ara-panahy. Mampiahiahy ny ho avin'ny tanora raha tsy eo ny mpanabe ara-panahy. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Alatsinainy 8 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 1-6

Ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Zoky am-panahy :  ireny no solontenan'ny eglizy eo anivon'ny tanora ka manampy azy amin'ny safidim-piainana tiany ho tratra, ary azo lazaina fa manamafy ny fahasahiany hiroso amin'ny dingana lavitra, arofanina manitsy ny dia. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...