17 taona katroka androany ny fandaharana "Hirika". Fandaharana nivoizana ireo hevitra sy vaovao momba ny fampandrosoana tamin'ny lafiny maro indrindra ho an'ny teny amin'ny tontolo ambanivohitra...

♦ Faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny no misedra olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio. Isan'izany ny any Fianarantsoa. Ny fanovana ny toe-tsaina hiaro ny tontolo iainana no vahaolana maharitra hoy ny depiote Seth Rajoelina... ♦ Ahiana hihotsaka indray ireo vatobe atahorana eny amin'ny manodidina ny vohitr'i Manjakamiadana ao Antananarivo Renivohitra. Fokotany enina no voakasik'izany...

Ny fanajàna ny aina no mametraka ny fahamendrehan'ny olona araka ny noharian'Andriamanitra azy. Manoloana ireo endrika maro samihafa mivohy ny tsy fanajàna ny aina, dia ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana indrindra ny tanora. Ilaina ihany koa ny fiainana sy fitiavana marina eo anivon'ny fianakaviana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...