Mila mizara fihetse-po amin'ny hafa isika mba tsy hisian'ny fiatsarambelatsihy. Aza mihevitra hanova olona fa ianao aloha no manao ezaka hiova ho tsara kokoa. Amin'ny alalan'ny saina no ahafahana mampita hevitra, betsaka amintsika anefa no tsy milaza ampahatsorana ny ao an-tsaina. Antony maro no tsy hananana toe-tsaina mangarahara : tahotra, tsy fahatokisan-tena sy ny olona hafa, tsy fifankahazoana, te hisongadina, rivo-panabeazana sy kolotsaina...
♦ Fotoana izao, tsy tokony hiandry rahampitso intsony amin'ny fandraisana andraikitra hiadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Antso nataon'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandraisany fitenenana tanatin'ny COP 26... ♦ Miisa 4 ireo mpandeha an-tsokosoko nihazo an'ny Nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy motera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny CSM tamin'ny asany maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto...
Ho antsika kristiana ny "eny" dia milaza fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, ka ny "eny" nataon'i Masina Maria no tonga ao an-tsaina voalohany amin'izany (cf Lk.1,38). Io faneken'i Masina Maria io no faratampony satria fiatombohan'ny asam-panavotana nataon'I Jesoa Kristy teto an-tany. Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco