Sabotsy 1 janoary 2022 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21
Inona àry no tokony hataontsika manoloana ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ao amin’i Jesoa Zazakely ?
I Masina Maria no atolotr’i Masindahy Lioka ho modelintsika anio : "Fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony" (Lk 2, 19). Nitadidy i Masina Maria, niezaka nitahiry, toa harena sarobidy, ireo teny nolazain’ny mpiandry ondry mahakasika an’i Jesoa Zazakely izy. Tsy maintsy nanome toerana malalaka ny fiainany, ny fony i Masina Maria mba hahafahany mitahiry, mandray an’izany. Notahiriziny ireo teny ireo satria tsy avy hatrany dia fantatra ny hevitra fonosiny. Tsy maintsy olona tia ny zavatra tahirizina ihany no hahavita hitahiry azy toy ny ataon’ny Maria. Ary matoa notahiriziny ireo zavatra ireo dia satria misy ifandraisana akaiky amin’ny fiainany tokoa. Notahirizin’i Masina Maria ireo teny nolazain’ny mpiandry ondry mahakasika an’i Jesoa Zazakely satria fantany fa natao hitombo sy ho fanta-poko sy ho fanta-pirenena ny hevitr’ireo any aoriana any.
Sady nitahiry i Masina Maria no nandinika tao am-pony ihany koa. Izany hoe niezaka nitady ny fifandraisan’ireo teny voalazan’ny mpiandry ondry sy ilay teny nolazain’ny Arkanjely Gabriely taminy i Masina Maria eto. Tsy maintsy nandamina sy nandrindra ireo andram-piainana nodiaviny i Masina Maria ka tao anatin’ny finoana an’Andriamanitra no nanatanterahany izany. Nanampy azy hiiombona aina amin’Andriamanitra izany sy fiadanam-po entin’i Kristy izay anisan’ny mampiavaka ny vanim-potoan’ny Noely.
Tsara hotsahivina eto am-pamaranana fa mampianatra antsika ny fananana faharetana manoloana ny misterin’ny fahatongan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo i Masina Maria. Mila mahalala ny zava-drehetra isika vao afaka milaza ho mahafantatra misimisy kokoa ny zavatra anankiray mitranga. Kanefa tsy miara-mitranga avokoa ny zava-drehetra, ka izany indrindra no ilana mandrakariva ny faharetana, izany hoe mila manome fotoana ny hitrangan’ny zava-drehetra isika mialoha ny hahafantarantsika ny zavatra iray ka manome ohatra ho antsika amin’izany i Masina Maria Renin’Andriamanitra izay ankalazaina anio ny fetiny.