♦ Natsahatra tanteraka ny famokarana herinarata miainga any Andekaleka, vokatry ny fahasimbana samihafa. Mbola hitohy ny "delestage" eto Antananarivo, noho ny tsy fahampiana angovo aterak'izany, hoy ny Jirama... ♦ Mihazakazaka ny atsy amin'ny nosy Comores amin'ny fanadihadiana ilay volamena 49 kilao tratra tany an-toerana. Mangingina kosa isika eto Madagasikara, na misy teratany Malagasy roa aza voarohirohy... ♦ Hiverina an-tsekoly hiatrika ny telovolana faharoa ny mpianatra. Maro amin'ny ray aman-dreny no mametraka ahiahy, noho ny firongatry ny Covid-19, indrindra ny eto Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...