♦ Nanokafana fanadihadiana manokana ilay firehetana nitranga tany amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Mampiahiahy ny zava-misy, ka olona efatra no efa nohenoina, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Nihaona tamin'ny Masoivoho frantsay eto amintsika androany ny Vondrona Panorama. Noresahana betsaka ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana... ♦ Nitarina amina faritra dimy hafa, ankoatra an'Analamanga, ny fihemoran'ny fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...