Talata 11 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

Anisan'ny hanehoan'i Kristy ny maha izy azy, ity tantarain'i Masindahy Marka amintsika ity : Izy no ilay Mpamonjy an'izao tontolo izao, mpanasitrana sy mpanafaka antsika amin'ny gejan'ny ratsy. Tsy mba teny ambara na fampianarana ampitaina fotsiny ny azy fa fahefana sy asa. Satria Andriamanitra izy, manana ny hery sy fahefana rehetra ary itoeran'ny toetra maha Andriamanitra an'Andriamanitra, sady olombelona ka mahatsapa ny mafy sy ny mangidy mpanjo antsika ary manafaka antsika amin'izany.

Ao aminy no hianarantsika ny fomba iainana ny maha zanak'Andriamanitra satria ny maha izy azy manontolo no nanehoany izany fa tsy toy ny an'ny Farisianina sy ny manora-dalana, manambara fotsiny ihany. Ary izy ihany koa no afaka hanala antsika amin'ny fatorana ataon'i Satana mampirona antsika etsy sy eroa, fa indrindra tsy ahafahantsika mijoro sy miaina ny maha isika antsika eo anatrehan'Andriamanitra.

Mianara an'i Kristy isika fa malemy fanahy sy manetry tena am-po izy, ary ao aminy ihany koa no hahitantsika ny fiadanana sy ny hasambarana marina. Meteza hafahany amin'ireo haratsiana miha mahazo vahana ao amintsika ao, izay manimba ny endrik'Andriamanitra ao amintsika, ary mandrava ny fiaraha-miainantsika samy zanak'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...