26 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Namoaka ny andiany vaovao misalotra ny anarana TAFARAY androany, ny ivontoerana fanofanana araka asa, Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice, Ivato... ♦ 20 taona nisehatra tamin'ny fanomezana tantsoroka ho an'ny fianakaviana marefo ny fikambanana Kolo Aina...
♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...
Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra teo ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco