Taratasin’i Masindahy Paoly ApôstôIy ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-10)
Ry kristianina havana, izao àry no izy:
Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
araka ny voasoratra hoe:
“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”
Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny,
no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 111, 1-2. 5-6. 7-8. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo
sy mankasitraka fatratra ny didiny.
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalana voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany;
ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay;
ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy:
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy;
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo dia misy zana-tsehatra atao hoe "L.O.M" izany hoe "Literature et Oralité Malagasy" afahana mandalina ny Lahabolana sy ny Literatiora. Ny Lahabolana dia rindran-kevitra, na rindra-teny entina maneho zavatra na toe-javatra iray, izay haseho amin'ny fomba kanto sy miavaka. Lahabolana : tôkatôka, Sôva, Isa, Beko... Ny literatiora dia azo hadika hoe "haisoratra", izay rari-teny atao an-tsoratra ; Ohatra : poezia (tononkalo), sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana. Ny "oraliture" no fihaonan'ny am-bava sy ny an-tsoratra, izay voambolana iray misy sosom-boanteny " oralité - literature"...
♦ Nanomboka omaly ny fitsaràna ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo mpiadina Bakalôrea, hivoaka afaka tapa-bolana ny vokam-panadinana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nakatona ny toerana fitrandrahana volamena antsokosoko any amin'ny reniranon'i Sahavatona any amin'ny Kaominina Vavantenina, olona iray no natolotra ny fitsaràna... ♦ Manahy ny amin'ny fisian'ny kolikoly avolenta manoloana ny raharaham-pitsarana amin' ireo voarohiroy ho namono an'i Rakotondrazafy Alain Maherinjaka na Allan ny reniny, niakatra fitsarana omaly teny Anosy ny raharaha... ♦ Mampiahiahy ny vondron'ireo firenena any Amerika Latina ny Vokam-pifidianana filoham-pirenena tany Venezuella...
Amin'ny teny hebrio dia "Sefer tehillim" no anarana nomena sy iantsoana ny bokin'ny Salamo. Ny teny hoe "tehillim" dia azo adika tsotra amin'ny teny malagasy hoe "hira fiderana/tononkira fiderana". Tsy tena mahadika ny Salamo ary tsy tena mahafapo nefa io "tehillim" io satria milaza izay mety ho hira fiderana rehetra na ahoana endriny na ahoana ; ny teny hoe "Mizmor" no midika hoe hiram-pivavahana... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco