30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)
♦ Miroso amin'ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ny mpiadina bakalôrea ny eto Antananarivo. Afaka iray volana no mivaly ny fanadinana, raha tsy misy ny fiovana... ♦ Atsy Afrika ny Filoham-pirenena sy ny delegasiôna tarihiny, tao aorian'ny fitsifihany tany Frantsa. Ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara ara-toekarena amin'i Guinée Bissau sy Angola no tanjona... ♦ Nakatona ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin'ny Fokontany Vohilengo, Kaominina Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Tsy manana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka...
♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...
Bokin’i Nahoma Mpaminany (Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7)
Indro, eny an-tendrombohitra,
ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana.
Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao!
Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
Fa ny Tompo nampody ny voninahitr’i Jakôba? mbamin’ny voninahitr’i Israely,
satria norobain’ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.
Loza ho an’i Niniva, ilay tanàna mpandatsa-dra;
feno fanambakana amam-pahasiahana; tsy mitsahatra amin’ny halatra!
Injany re ny firivirivin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia,
ny katrokatroky ny soavaly ny fiantraitraiky ny sarety!
Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra,
lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa...
Voafingampingan’ny faty ny olona!
Hotsipazako loto ianao sy halàko baraka, sy hataoko fijerin’ny olona ianao.
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe:
“Rava i Niniva!”
Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41
Antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.
Jereo amin’izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy;
ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko;
Izaho no mahafaty sy mahavelona;
Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.
Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra
sy handray ny fitsarana ny tanako,
dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko,
ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy ta-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco