Ny Salamo dia vavaka satria nosoratana tao anatin'ny tontolon'ny vavaka sy ny tempoly. Amin'ny ankapobeny dia maro ireo milaza fa i Davida no nanoratra ny Salamo manontolo satria, izy dia poeta sady mpamorona no mpihira ihany koa, izy ihany koa dia manana talenta hikoizana amin'ny resaka zava-maneno, ary anisany tena tia vavaka. Mankafy ny midera sy mankalaza an'Andriamanitra i Davida... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

31 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...

♦ Mety ho mbola tsy ho amin'ity herinandro ity indray ny hitsanganan'ny governemanta vaovao. Mangina tanteraka ny momba izany, 20 andro taorian'ny namerenana ny praiministra amin'ny toerany... ♦ Misy tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana Bakalôrea ireo mpampianatra sasany. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana taratasy fanekena, ka nisy ireo tsy niroso tamin'ny fitsaràna, omaly... ♦ Tantsambo malagasy 60 isa no mbola tavela any Kômôro hatramin'izao noho ilay fepetra fisorohana ny fidiran'ny aretina Kôlera tany Mahajanga. Mitaky ny hampodiana azy ireo ny fianakaviany... ♦ Raikitra ny hetsi-panoherana ny voka-pifidianana any Venezuella, taorian'ny filazàna ny nahalany ny filoha Nicolas Maduro...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...