Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra teo ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...

35 taona nahita fahombiazana, nisedrana fahoriana maro samihafa ihany koa saingy toa ny tsy misy izany rehefa ny fitiavana ny olona rehetra ho toa ny rahalahy sy anabavy no nanosika azy hiantsehatra amin'izany.

Toerana feno fako ary ala kininina no novantanin'i Mompera Pedro sy ireo tompon'andraikitra niara-niasa taminy teny Andralanitra ny taona 1989. Ankehitriny efa ahitàna foto-drafitr'asa maro eny an-toerana. Olona efa 40.000 isa no sahanin'ny Toby AKAMASOA avy amin'ny tokan-trano manodidina ny 5.000 isa.

Ezaka maro no tsy maintsy nilofosana hoy Mompera Pedro vao tonga amin'izao toerana misy ny toby AKAMASOA izao. Ezaka nifarimbonan'ny rehetra. Tsy sasatra mampatsiahy ny antony mahatonga ny fahantrana i Mompera Pedro mba hanoroana làlana ny rehetra tsy hiverenana amin'izany intsony. Tsy lahatra akory ny fahantrana hoy Mompera Pedro raha nanentana ireo sahirana hiala amin'izany izy.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...