Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.
Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco