6 avrily 2025 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Ry mpihaino hajaina, efa mamaramparana ny Karemy isika ka ny tenin’Andriamanitra no mampandinika antsika hoe: “Iza marina moa ity Andriamanitra arahantsika ity? Andriamanitra hitsara ve? Andriamanitra mpanasazy ve? Ary ny lohahevitra dinihintsika amin’ity andro ity dia ny hoe: “Fiainam-baovao ny Paka”.
Ny Andriamanintsika kosa dia Andriamanitra mpampianatra ny tokony hatao. Nanatona Azy ny vahoaka rehetra dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy, midika izany fa Andriamanitra dia mahafoy ny tenany, hanasoa ny hafa. Mahafoy fotoana ho an’ny hafa Izy fa indrindra tia mizara fahalalana ho an’ny hafa. Tsy tiany hipetraka amin’ny tsy fahalalana isika fa tiany ho vahoaka mahay.
“Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Tsy nisy na iray aza sahy nitora-bato fa samy nihatakataka, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa sy ilay vehivavy sisa no tafajanona farany. Nahoana moa no ny zokinjokiny no nisintaka voalohany? Satria ny zokiolona dia heverina fa manam-pahendrena indrindra na mety koa mifanohitra amin’izany. Ka raha ny manam-pahendrena indrindra eo amin’ny fiaraha-monina aza tsy nanameloka rahefa avy nandinika ny tenin’i Jesoa, inona no hataon’ny tanora vao maitsovolo? I Jesoa koa dia tsy nanameloka ilay vehivavy, fa hoy Izy: “Mandehana dia aza manota intsony”.
Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara antsika amin’ny maha mpahary sy tompon’ny zava-drehetra Azy, kanefa dia famindram-po no nasetriny an’ilay vehivavy. Ny tanjon’ireto Farisianina nanatona an’i Jesoa ireto dia haka fanahy Azy fa tsy nanatona noho ny finoana. Mora matetika ny manameloka, fa sarotra ny mamindra fo. Fa naleon’i Jesoa niatrika ny fahafatesana toy izay nanameloka antsika olombelona. Nitsangana kosa Izy tamin’ny Paka ho mariky ny fanavotana antsika.
Averimberin’i Jesoa fa izay mitsara dia ho tsaraina ary izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa (Mt 7, 1s). Antoky ny famelana antsika ny famelana ny hafa araka ny vavaka nampianarin’i Jesoa: “Avelao ny fahotanay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay”. Mitonda fiainam-baovao ho antsika tny Paka: fiainana tranainy mankany amin’ny fiainam-baovao, fankahalana mankany amin’ny fitiavana, fanamelohana mankany amin’ny famindram-po, fisalasalana mankany amin’ny finoana. Hankalaza ny Paka marina isika rahefa tanteraka ao amintsika izany fiovan-toetra izany. Mirary soa antsika àry, amin’ny fiomanana akaiky ny Paka.
Ry Ray ô! Famindram-po no nasetrinao ny fahotanay ka enga anie mba ho mpamonjy ny namanay izahay fa tsy ho mpanameloka. Amen.