Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 43, 16-21)
Indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao, ary hanome rano hosotroin’ny vahoakako.
Izao no lazain’ny Tompo,
izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,
izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika,
— indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra;
voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. —
Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!
Fa indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao;
efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo?
Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tsaha karankaina.
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ôstritsa,
satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina,
hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Mba lehibe, ry Tompo Andriamanitra ô, ny asanao ety aminay ety.
Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay
koa akory ity hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!
Vakiteny faharoa
Taratasiri’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 8-14)
Mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy aho.
Ry kristianina havana:
ataoko fatiantoka tokoa ny zavatra rehetra
raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko;
fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra,
ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra,
mba ho hita ao aminy aho,
tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny lalàna,
fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy
dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona,
ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
sy hahatratra ny fitsanganan-ko velona, raha azoko atao.
Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary;
fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy.
Eny, ry kristianina havana,
tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko,
dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako,
mihazakazaka hanatratra ny marika aho,
mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny,
ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva,
fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.
Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina,
ka narosony teo afovoany.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity.
Ary i Môizy ao amin’ny lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany,
fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?”
Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy.
Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany,
ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe:
“Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”.
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.
Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay,
ny zokinjokiny no lohalalana,
ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.
Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo?
Moa tsy nisy nanameloka anao va?”
Novaliany hoe:
“Tsy nisy, Tompoko”.
Dia hoy i Jesoa:
“Izaho koa tsy hanameloka anao.
Mandehana, ka aza manota intsony”.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.