Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

  • Voamarina tamin'ny "audite" natao fa nisy nitsofoka ankeriny tokoa ny "site web" an'ny CENI araka ny fampahafantarana nataon'izy ireo omaly, efa eny am-pelatanan'ny Fitsarana ny valin'izany hanohizana ny fanadihadiana...
  • Hatahorana ho ripaka ato anatin'ny 25 taona ho avy ireo ala mitahiry ireo harena voahajanahary raha jerena amin'izao fihazakazaky ny fanimbana tontolo iainana misy eto Madagasikara izao hoy ny fikambanan'ireo "tours opérateurs" eto amin'ny nosy...
  • Miha manakaiky ny tendrony avaratr'i Madagasikara ilay rivo-doza DIKELEDI ahiana ny hisian'ny tondra-drano sy ny fiakaran'ny rano vokatry ny rotsak'orana be loatra...
  • Ny jeneraly Joseph Aoun no nofidian'ireo solombavambahoaka ho filoham-pirenena any Liban, lany tamin'ny tsanga-tanana 99/128 ny tenany...

Tsaroana amin'izao 10 janoary izao i Masindahy Guillaume de Bourges. Teraka tamin'ny taona 1110 avy amin'ny fianakavian'ny Comte tao Nevers i Guillaume. Bodouin de Corbeil sy Estachie de Chatillon no ray aman-dreniny. Olona tia vavaka sy nifototra tamin'ny fianarana ary tia mandini-tena ihany koa i Guillaume.

Ny toetran'i Jesoa Kristy manontolo na amin'ny maha-olombelona na amin'ny maha Andriamanitra Azy dia samy manampy hahazoana ny famonjena sy ny fahasambarana daholo. Ny fotoana rehetra niainan'i Jesoa teto an-tany noho ny fahasoavan'ny vavaka dia azo raisina ho fiainantsika ankehitriny, azo isintonana voka-tsoa ara-panahy, izay tsy inona fa fahasoavan'ny "méditation". Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...