Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 3, 1-6. 14-22)
Izaho, Joany, naheno ny Tompo nilaza tamiko hoe:
“Ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda:
Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito:
Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.
Miambena ary hamafiso ny sisa efa ho faty.
Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao.
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha.
Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho,
ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.
Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa aty aminao aty Sarda,
ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika.
Izay handresy dia hampitafiana lamba fotsy toy izany koa;
ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho,
fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laôdisea:
Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina,
Fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra:
Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana ianao:
nefa aleo mangatsiaka na mafana ianao;
fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana,
dia efa haloan’ny vavako ianao.
Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho;
kanjo tsy fantatrao, fa ianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo,
dia hanan-karena ianao: sy fitafiana fotsy hitafianao,
mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao;
ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra ianao.Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna;
ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana,
dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako;
toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Mandresy izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-po,
tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe:
“Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”
Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe:
“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:
“Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fanombohan’ny Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 1, 1-4 ; 2, 1-5a)
Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy,
mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana
sy nanirahany anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;
ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy,
araka ny zavatra rehetra hitany.
Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin’ity faminaniana ity
ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.
Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany:
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana,
avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy;
avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana.
Manoratra ho an’ny anjelin’ny Eglizin’i Efezy:
Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana,
sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao,
mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy;
fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy,
ka hitanao fa mpandainga ireny;
ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka.
Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao.
Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha,
ka miverena amin’ny asanao voalohany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny antson'Andriamanitra dia mila fikolokoloana, maro ireo andraikitra niantsonana ny tsirairay : ho pretra, relijiozy, ho mpanokan-tena, fanambadiana, mpitsabo, mpampianatra, mpitsara, mpamboly, mpivarotra. Ny fomba hamaliana ny antson'Andriamanitra dia fanaovana zava-dehibe ny fahaizana miara-belona, izany hoe tsy tokony ho be taraina, tokony hahay hifampihaino... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny haino aman-jerim-panjakàna indray rahampitso alahady amin'ny 8 ora alina ny Filoha Rajoelina Andry, andrasana izay mety hambarany mandritra izany... ♦ 38% amin'ny taham-pahafatesan'ny zazakely teto amintsika ny taona 2019 dia noho izy ireny teraka tsy tonga volana na ilay antsoina hoe : "prématuré", hanamarika ny andro eran-tany ho an'ny zaza prématuré ny fikambanana Support the premeture... ♦ Manjaka amin'ireo tanàna maro ao Atsinanan'Antananarivo tato anatin'ny herinandro maromaro izao ny doro ala sy doro tanety, mizaka ny voka-dratsin'ny setroka vokatr'izany ihany koa ny ao an-drenivohitra...
Ny tsy fahadiovan'ny sakafo hoanintsika ka misy ilay kankana "cysticerque", izay mirefy 2 hatramin'ny 8 metatra, no miteraka ilay aretina "cysticercose". Rehefa tafiditra ao amin'ny vatana ny "cysticerque" dia mamonjy ny atidoha, ny maso sy ny taova na faritra hafa amin'ny vatana. Ny tay miparitaka sy ny fampiasana zezika avy amin'ny kisoa na ny loto mipetaka amin'ny sakafo na amin'ny alalan'ny tanàna no mampimparika ny "cysticercque"... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Alahady faha-32 mandavantaona — b : izay tia, mahafoy ; misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny mpitondra tena dia ireo vehivavy niangaran'ny vintana fa sady mamalona ny tenany no mamelona ny zanany satria tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, ka izay foin'ny olona no hivelomany. Ireny sokajin'olona ireny dia manao asa mitondra aina, miasa mangina. Mety ho kely eo amin'ny fiaraha-monina ny zava-bitan'ireny olona ireny fa lehibe eo anatrehan'Andriamanitra satria manolotra amim-pitiavana sy azo ambara fa ny fiainany manontolo no omeny. Ny hoe "lazaiko marina" dia avy amin'ny teny hoe "AMEN". Ny fampianaran'i Jesoa dia marina tsy azo doifina.
♦ Tapaka tamin'ny fivorian'ny OMC Antananarivo fa handraisana fepetra ireo manakan-dalana sy mandoro-kodiarana, efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana momba ireo olona manao fiantsiana anaty tambazotran-tserasera Facebook, momba ny olan'ny famatsiana jiro sy rano ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Nahatratra 444 tao anatin'ny 3 volana izao ireo mpandraharaha vaovao vao niforona raha ny antontan'isa eo anivon'ny fikambanan'ny mpandraharaha Aina vao... ♦ Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy ny alatsinainy 146 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay ho tanterahina any Andekaleka...
Miteny amin'ny olombelona Andriamanitra amin'ny alalan'ny Teniny, na an-tsaina izany na am-bava, ka miforona ny vavaka ataontsika. Vavaky ny zanak'Andriamanitra sy ny mpanota voavela heloka ny vavaka am-po ka manaiky handray ny fitiavana nitiavana azy sy maniry hamaly izany amin'ny fitiavana. Fanomezana sy fahasoavana ny vavaka am-po. Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
♦ Miroso mankany amin'ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra ny fandaharana asa fiantohana ara-tsakafo sy ny fanjariana ara-tsakafo, aty amin'ny Tanomasimbe Indiana... ♦ Miara-miasa amin'ny fametrahana ny paikady hiadiana amin'ny afo sy ny doro tanety ary ny doro ala, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny BNGRC... ♦ Isan'ireo firenena kandidà hifaninana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny tanora aty Afrika: Youth Connect Africa Summit, ho an'ny taona 2025, isika Malagasy...
12 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...
11 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco