Vanim-potoana hanavaozana tokoa isika izao.  Ady hevitra tsy afaka ambavan'ireo mpisehatra amin'ny fanabeazana ohatra ny hanovàna ny tetiandrom-pampianarana an-kapobeny. Ny marimarina kokoa dia ny hanitsiana izany, mba hanaraka ny toetr’andro. Tena hoe ny toetr’andro tokoa satria tsapa ho voaelingelin’izany ny alimanàka ao anatin'ny taom-pianarana iray, izay handrantoan'ny zaza malagasy fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly...

Satria fotoana hiresahana ny fanavaozana izao, dia maro ireo mivoy ny hanovàna ny fialan-tsasatra lehibe ho isaky ny fahavaratra. Izany hoe : hatomboka volana marsa eo ny taom-pianarana iray, ary faranana volana desambra. Amin'izay mba tsy ho tapaka ny fandehanana an-dakilasy, na hisy rivo-doza, na tondra-drano, na fiakaran'ny rano sns …  Iaraha – mahalala fa nosy isika ary tsy afa-bela amin’ny rivo-doza. Toa azo saintsainina tokoa satria firifiry moa ireo faritra ianjadian’ny fiakaran’ny rano sy ny rivo-doza no miaina fahatapahan'ny fianarana maharitra eto Madagasikara ? Rava ny tafon’ny tranon-tsekoly na milona ao anaty rano, ka andro maromaro no tsy mianatra ny mpianatra. Na ilay tranon-tsekoly mihitsy no handraisana tra-boina. Iarahantsika mahita io ny any Toamasina. Mialoha ny nandalovan’i Gezani dia efa natsahatra ny fampianarana, tsy lazaina intsony ny aorian’izay. Ny datim-panadinana anefa tsy mihemotra. Azon’ny Arofanina an’eritreritra ihany koa ohatra ny manjo ny mpianatra madinika eny ambanivohitra, lavitry ny tanàna ny sekoly. Miampita tetezana na mirobo-drano im-piry vao tody any an-dakilasy, ka tsy hay saintsainina ny vokatr’izany isam-pahavaratra. Vokany, miteraka tsy fitovian’ny lentam-pahaizana eo amin’ny mpianatra an-tanan-dehibe sy ny any ambanivohitra izany. De ho diso kosa ve ireo manolotra soso-kevitra fa ataovy fahavaratra ny fotoan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra, hanatsarana ny fampianarana amin’izao fikasana ho an’ny fanavaozana izao ? Tsy vao izao fa efa tany amin’ny taona 2013 tany no nahenoana Io soso-kevitra io, rehefa nametraka ny vinany ho an’ny fanovan-drafitra hitantanana ny firenena ny mpirotsaka hofidiana avy amin’ny antoko politika iray. Toa efa niroso tsikelikely tamin'izay fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana izay isika tamin'ilay drafitra ho an’ny sehatry ny fanabeazana na ny PSE novolavolaina niaraka tamin’ireo Mpiara-miombon’antoka ny taona 2016 tany, ka voaresaka tao io tetiandrom-pampianarana io, fa tsy tanteraka.

Fa andao àry ataontsika hoe : havadika ho vanim-potoam-pialantsasatry ny mpianatra ny fahavatra. Mbola fialan-tsasatra ve ? Ny hoe fialan-tsasatra mantsy dia hampiala voly ny sain’ny ankizy, rehefa drodroky ny tadidy lesona sy enti-mody nandritra ny 10 volana, ka mila fitoniana, na misintaka kely mizaha toerana tsy mahazatra. Ka hiala sasatra anaty fiakaran’ny rano ve ? Haka fitoniana amin’ny fiatrehana rivo-doza ve ? Tsy miombon-kevitra amin’izany ohatra ny foibe fanabeazana katolika na ny DINEC satria toa sadasada manan-tsoratra tokoa. Tsy vitan’izany manko fa vanim-potoan’ny fahasahiranan’ny tokantrano malagasy ihany koa ny fahavaratra. Ao anaty maitso ahitra ‘zany no hanomana ny fidiran’ny mpianatra ny ray aman-dreny ? Mbola hanana vovok’aina hizaka izany ve ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano izay sady mizàka ny filàna amin’ny sakafo, ny hofatrano, ny jiro sy rano sns no mbola vesaran’ny fividianana fitaovam-pianarana, ny saram-pisoratana anarana sy ny maro hafa ? F’angah ‘zay ihany fa tsy mifanitsy amin’ny tetiandro any ivelany ihany koa io raha ovana, ka hanahirana ny fisoratana anarany sy ny fidirana, indrindra ho an’ireo mpianatra afaka bacc maniry handranto fianarana any ivelany. Fampisaintsainana daholo izany lazain’ny Arofanina izany, mba tsy ho sodokan’ny fanovàna, nefa ihany koa sarotra ny tsy hanova ho any amin’ny tsaratsara kokoa.

Toa hoe : miala any indray manko ny PSE andiany faharoa ampiharina ny taona 2026-2030. Tsy sanatria manohitra ny fanovàna sy ny fikasana hanavao, fa ny tena marina dia mila dinihana lalina, alaivo ambany, alaivo ambony fa ny ho avin’ny zanaka malagasy izay ho avin’ity firenena ity anie no kirakiraina amin’izany e. Samy mikatsaka ny hahasoa ny fanabeazana manko ny mpivoy hevitra rehetra, ary samy tsy te hanan-dratsy.  Vao ny herinandro teo no miahiahy ny ho avin’ny fanabeazana eto Madagasikara ireo avy amin’ny foibem-pitondrana nasionalin’ny sekoly tsy miankina na ny DNEP. Vahaolana aroson’ny Arofanina ny  fanatanterahana fikaonandoham-pirenen’ny fanabeazana. Mba tena fikaonan-doha handraisan’ny rehetra anjara fa tsy sarintsariny fotsiny. Efa maro ihany manko izay fivoriana nandinihina ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana teto Madagasikara izay. Tanjona ny mba  hijerena ny marimaritra iraisana sy izay « azo sy mety ho tanterahina » satria asa masina, saro-pady, ary  andry iankinan’ny firenena ny fanabeazana, ka tsy tokony ho atao kitoatoa, na ho maimaika fotsiny satria hoe mila manova. Ataovy tery omby ririnina e ! Aoka tsy hankahia ny reniny, nefa ihany koa tsy hahabotry ny zanany!!!

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...