Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.

Pretra avy amin’ny Fikambanana Capucins i P. Landry. Teraka ny 3 mey 1972, tao Ambanja izy, izay mizaka ny zom-pirenena seychellois nanomboka ny taona 2017. Teto Madagasikara avokoa no nanaovany ireo dingam-piofanana amin’ny maha-relijiozy Capucins sy maha pretra azy. Ny 3 oktobra 1992 izy no niditra tao amin’ny trano fiofanana novisia tao amin’ny Ordre de Frères Mineurs Capucins, ary nanonona ny voady mandrakizay tao amin’io Fikambanana io ny 1 aogositra 1999.

Ny taona 1994 izy no nanomboka ny fandalinana filozofia tao amin’ny Seminera Zokiny Manantenasoa, Antsirabe. Avy eo nanohy fiofanana teny amin’ny Seminera Zokiny, fandalinana teolojia, tao Faliarivo, ny taona 1996, ka nohamasinina ho diakra teny amin’ny Katedraly Andohalo, Antananarivo ny taona 1999. Herintaona taorian’izay izy no nohamasinina ho pretra, tao amin’ny Diosezin’Ambanja, ny 15 aogositra 2000. Roa taona taorian’ny fanamasinana azy ho mpisoron’ny avo indrindra dia nanohy fianarana tany amin’ny Université Ponficale d’Antonianum tao Roma izy ary nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny teolojia mikasika ny aim-panahy.

Maro ny andraikitra efa nosahaniny: ny taona 2000 ka hatramin’ny 2002 izy no nisahana ny fitantanana ara-bola tao amin’ny Scolasticat sy Préfet des études tao amin’ny ankohonam-piainana tao Antsirabe. Rehefa avy nahavita ny fianarany tany Roma izy dia niverina niandraikitra ny fitanatana ara bola ny Scolasticat no sady niandraikitra ny Préfet des étude tao amin’ny ankohonam-piainana Antsirabe. Ny taona 2008 izy no nahazo iraka ho misionera nankany Seychelles ka lasa Frère Gardien de la Fraternité des Capucins tao Seychelles, sady voatendry ho Curé tao amin’ny Paroasy Sacré-Coeur de Jésus tao Beauvoir La Misère. Ny taona 2023 izy no notendrena ho Curé tao amin’ ny Paroasy Masina Michel – Gabriel – Raphaël tao Anse aux Pins, hatramin’izao nanendrena azy ho evekan’i Port Victoria izao.

Mitondra ny teny fiarahabana sy mirary soa ho an’i P. Landry Philippe Rasamison amin’izao fanendrena azy ho Evekan’i Seychelles izao ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava.

Ny ekipan’ny Radio Don Bosco, dia mirary soa an’i P Landry Philippe Rasamison, sady miarahaba ny Diosezin’Ambanja sy ny Fikambanan’ny Capucins amin’izao fahasoavana izao.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...