Tamin’izany andro izany: Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy Izy: "Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy." Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona." Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo."
Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay." Fa hoy i Jesoa: "Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany, dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay. Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?" Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: "Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankaty aminao aho; fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo erý ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo." Dia niteny i Jesoa nanao hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy." Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory. Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: "Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?" ka novaliany hoe: "Hatry ny fony izy mbola kely; ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino." Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: "Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re itý tsy finoako." Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: "Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra aminy intsony." Dia sady ninananana ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza. Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana. Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: "Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?" Ka hoy Izy taminy: "Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany."
Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia." Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: "Itý no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona. Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy? Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy."
Tamin’izany andro izany, nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany." Hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy." Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona."
Tamin’izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: "Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo." Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: "Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna."
♦ Hiroso amin'ny fivoriam-be anio, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara, na ny SMM... ♦ Mitaky fikaonan-doham-pirenena handraisan'ny herivelona rehetra eto amin'ny firenena anjara ny RMDM, manoloana ireo olana miseho lany eto amin'ny firenena... ♦ Miisa fito ireo olona, efa voasambotry ny zandary, izay voarohirohy tamin'ny fakana an-keriny zanaka karana teny Ambohimanarina...
♦ Mitaky fikaonan-doham-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra, manoloana ny raharaharam-pirenena ankehitriny. Mila sorohana sy hitadiavam-bahaolana ireo olana marolafy eto amin'ny firenena, hoy ny RMDM... ♦ Olona fito no efa tratra tamin'ilay raharaha fakana an-keriny, zaza 3 taona, teny Anosivavaka Ambohimanarina ny alatsinainy 7 febroary teo... ♦ Novatsian'ny SOS Village d'Enfants, vola 5 hetsy sy 117 tapitrisa ireo ivotoerana enina fitaizana ankizy, any amin'ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Simba avokoa ny fotodrafitr'asan'ireo ivotoerana ireo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai...
Navoakan'ny ekipa mpandrindra nasionaly tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny fivorian'ny Filankevitra Maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny alatsinainy 7 febroary 2022, ny hira mirakitra ny vavaky ny Sinaodin'ny Eveka ho tanterahana ny taona 2023. Ny Antokom-pihira Katedraly Mahajanga (APKM) no namorona sy nandrindra ny feon-kira ary mihira azy. Raki-tsary notontosain'ny RDB Live. Ny raki-peo sy ny raki-tsary ary ny tonony dia azo alaina ao amin'ny tranonkalan'ny Radio Don Bosco (https://rdb.mg/sintondavitra.html)
Manimba ny tontolo iainana indrindra fa ny faritra mando manodidina ny farihin'Alaotra ny faharavan'ny zetra manodidina azy. Velom-panahiana ireo mpandala ny fiarovana ny zava-boahary fa tsy ho hita ao Alaotra intsony ny zetra raha mbola mitohy ny fanimbana azy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco