♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...
Ny toetra mampiavaka ny mpanao politika kristiana : maneho ny maha-mpaminany azy, misokatra amin'ny fahamarinana, mafafoy tena, mahay mifamela sy mifampizara araka ny fampianaran'i Kristy. Manana adidy hanameloka ireo fomba mangeja ny madinika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Miantso ny Eveka rehetra hanampy sy hitodika amin'ireo diôsezy tena voa mafy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza teto amintsika ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mbola mitoby ao amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano ankehitriny ny 70%-ny traboina eny amin'ny Fiv-III, Tanà-ville... ♦ Efa misy ny teti-bola hanatanterahana ireo tetik'asan'ny filoham-pirenena, misy ny asa efa mandeha hoy ny tale jeneraly misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena...
Ny literatiora dia teny eninta maneho hevitra sy/na fihetsem-po atao amin'ny fomba kato, am-bava na an-tsoratra. Ny literatiora haren-tsaina azo kirakiraina sy tahirizina. Ny literatiora dia avy amin'ny teny latina hoe "Literae" manana hevitra hoe "soratra" avy amin'izany no nahazoan'ny frantsay ny hoe "littérature" ka nadikan'ny malagasy ho "literatiora". Samihafa ny Ohabolana ny oham-pitenena, ny slam sy ny riankalo ary ny tononkalo. Lahabolana safiotra ny Tôkalo...
♦ 14 ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Emnati teto amintsika, araka ny tatitry ny BNGRC omaly hariva, 153 000 ireo traboina... ♦ Miisa 16 ny olona lavon'ny covid-19 teto amintsika tao anatin'ny herinandro farany. Midina hatrany ny isan'ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ity febroary ity... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny sabotsy teo ny fanamarihana ny faha-75 taonan'ny Alliance Française eto Antananarivo...
♦ Tsy tokony atambatra ho ministera iray intsony ny serasera sy ny kolontsaina fa mifanipaka, hoy ny fiombonamben'ireo fikambanana ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Nahazo tale jeneraly vaovao ny Madagascar Airlines. Mitohy ny fanarenana ity kaompania an'habakabaka malagasy ity, fiaramanidina Ambraer no hisahana ny sidina anatiny... ♦ Hanomboka ny fanamboarana ireo lalana ratsy rehetra eto Antananarivo, harahi-maso ny fanamboarana hoy ny Governoran'Analamanga...
Miezaka ny hamaha ireo karazam-patorana mangeja sy manandevo ny olombelona ny kristiana lahika. Miara-miasa amin'ireo olona tsara sitrapo izy mba hahafahany manangana tontolo ankakan'ny rariny, tontolo mendrika hiainana ary manaja ny voalika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny fiainan'izao tontolo izao no anehoan'ny kristiana lahika ny firotsahany, ka ny toe-tsain'ny Evanjely no iainany indrindra eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitra. Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa ny lahika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Hisy fiantraikany amin'i Madagasikara ny fampiharana ny sazy ara-toe-karena amin'i Russie, hoy ny masoivoho Allemand eto amintsika, miantso ny Malagasy izy hiray feo aminy... ♦ Hanomboka hamokatra herinaratra ny toby vaovao any Farahantsana-Mahitsy amin'izao faran'ny herinandro izao, 20MegaWatt no ho vokariny... ♦ Tsy hita taratra ny fiodinan'ny orinasa kraomita Malagasy, 5 volana aty aorian'ny fihaonan'ireo mpiasa tamin'ny praiministra, nitaraina azry nanatitra taratasy any aminy...
♦ Nanazava ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy any Ukraine ny Masoivohon'i Allemagne miasa eto amintsika. Nambarany fa krizy hisy fiantraikany amin'i Madagasikara ny fampiharana sazy ara-toe-karena amin'i Rosia... ♦ Hamokatra herinaratra manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao ilay toby famokarana any Farahantsana, Mahitsy. Hamoaka vaikan'aratra 20 Mégawatts ity toby ity amin'izao voalohany izao... ♦ Tany 2800 hekitara no lasan'ny orinasa iray, tamin'ny fomba tsy mazava, any amin'ny Distrikan'i Mampikony sy Port-Bergé...
♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Alakamisy 3 marsa 2022 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco