♦ Mety hivoaka amin'ity herinandro ity ny vidin-tsolika vaovao eto amintsika. Mbola tsy nihatra ihany koa hatramin'ny androany ny fiakaran'ny saran-dalana ao an-drenivohitra. Misy fepetra takiana amin'izany hoy ny UCTU... ♦ Mitaky ny hamoahan'ny fitondrana ny didy fampiharana ilay fampiakaran-karama 9,9% amin'ny sehatra tsy miankina ny Randrana Sendikaly. Mbola tsy nivoaka izany, roa volana aty aorian'ny fifanarahana teo amin'ny mpampiasa sy ny Fanjakana... ♦ Nihemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fampivondronana ireo atleta malagasy hiatrika ny lalaon'ny nosy hatao eto amintsika. Nanazava ny momba izany ny avy amin'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...