Nivahiny teto Madagasikara nanomboka ny 25 jona teo hatramin'ny 3 jolay lasa teo ny tale jeneralin'ny Africa-Rice na ny Foiben'ny Vary aty Afrika, Dokotera Harold Roy Macaulay. Izy izay sady talem-paritra ho an'ny Afrika atsinanana eo anivon'ny vondron'ny fakan-kevitra ho an'ny fikarohana ara-pambolena iraisam-pirenena na ny CGIAR...

Anton-diany ny nanamafy orina ny fiaraha-miasan'ireo vondrona roa ireo amin'i Madagasikara amin'ny seha-pamokarana eto amintsika. Nanolotra masomboly vary fototra 8 taonina ho an'i Madagasikara àry ny Africa-Rice na ny Foiben'ny Vary aty Afrika, isan'izany ny Nerica 4 (quatre) sy ny Arica 4. Ny tale jeneraliny dokotera Harold Roy Macaulay no nanolotra izany ny voalohan'ny volana jolay lasa teo teny Anosy niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, rehefa avy nitsidika ara-pomba fanajàna ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ny alatsinainy 27 jona 2022.

Nasehon'ny Africa-Rice nandritra ny fanolorana ny masomboly fototra ihany koa ny fotsim-bary azo avy amin'ny fikarakarana manokana manana kalitao tsara, dia ny riz étuvé na vary arahana, tombotsoa maro no azo avy aminy hoy ny ministra Ramilison Harifidy.

Niara-niasa amin'ny tantsaha ary misehatra amin'ny fanohanana ny voly vary eto amintsika amin'ny alalan'ny fampiharana ireo voka-pikarohana samihafa ny Africa-Rice izay. Isan'izany ny tohana nataon'izy ireo tao amin'ny tendro fampandrosoana ny voly vary tao Vakinakaratra, Ambohibary-Sambaina sy Ankazomirihotra ary ny tany amin'iny lemak'i Bas-Mangoky iny.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...