♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana ny fitondrana ankehitriny ny VMF. Mandeha ny raharaham-pirenena ary maro ny asa vitan'ny fitondram-panjakana hoy izy ireo, raha nanao fanambaràna omaly... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny Tanora RMDM. Nanao fanambaràna ; momba ny raharaham-pirenena koa izy ireo, omaly... ♦ Mitaky ny marina tamin'ny famonoana an'Andriamatoa Rakotoarisoa Henri, filohan'ny VOI MIALO ny fiaraha-monim-pirenena sy ny fianakaviany. Niray hina, mitaky ny fampiharana sazy henjana ho an'izay nahavanona izany izy ireo, omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...