Alarobia 18 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
Talata 17 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a
Alatsinainy 16 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26
Alahady 15 mey 2022 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 31-33a
♦ Dimampolo taona tao aorian'ny hetsika 13 mey 1972, tsy mbola tratra ny tanjona tamin'ny tolona. Miantso sy mampahery ny vahoaka Malagasy mba hanorina indray, ny RDS... ♦ Olona roa mpianaka no maty, vokatry ny fihinana voaveo, any Mahazony, Farafangana. Mbola marary kosa ny renim-pianakaviana, vadin'ny maty... ♦ Tao aorian'ny fanovan-dalana teny Antanimena sy Ankorondrano, harindra indray ny fampiasana ny lalana eny Andohan'Analakely. Hihatra manomboka ny alahady 22 mey izao izany, hoy ny eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Nitombo avo telo heny noho ny teo aloha ny vola nahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2021. Vola 1.800 miliara Ariary no nahiana fa maloto, nefa nampiasaina teto amintsika, raha ny tatitry ny SAMIFIN androany... ♦ Nasiam-panovana ny lalan-jotran'ny "téléphérique" mampitohy an'Anosy amin'Ambatobe... ♦ Tsy tratra ny tanjona tamin'ny fanatanterahana ny drafi-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary 2016-2020. Tsy nihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana teto amintsika, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, androany...
Ny malagasy dia mametraka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho soatoavina, maika lavitra noho izany àry ho an'ny kristiana satria "mitia hatramin'ny fahavalo" araka ny nangatahan'i Jesoa Kristy. Ny ray aman-dreny dia mampita io soatoavina io amin'ny zanany satria " mahita ny ataon'ireo lehibe ireo ao an-trano ny zanaka", ary mihitatra any amin'ny fiaraha-monina sy ny manodidina izany. Manampy ny mpivady hiaina ny fifankatiavana marina ny "Mariazy mirindra" ka manolotra faran'ny herinandro fototra amin'ny volana Jona.
♦ Voatendry nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ho tale jeneralin'ny ARAI, Andriamatoa Rasoloharimanana Aimé. Anjara andraikitry ny ARAI ny fanatanterahana ny didim-pitsarana izay mangeja ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny... ♦ Manangasanga ny fitokonana lavareny eny amin'ny Oniversite. Tsy afapo tamin'ny fihaonana nataony ny sendikan'ny SECES sampana Antananarivo ka hanao tombana farany amin'ny herinandro mialoha ny hirosoana amin'ny fandraisaa fanapahan-kevitra... ♦ Andrasana amin'ity anio ity ny lisitr'ireo mpilalao handrafitra ny Barean'i Madagasikara. Tsy hisy fiovana ny tetiandro amin'ny lalao ho atrehan'ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny volana jona izao...
♦ Fotoana hanovàna famindra sy hanafangainana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena mba hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo izao, hoy ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mitaky ny handravàna ireo governoram-paritra ny RMDM, taorian'ny filazan'ny filohan'ny HCC amin'ny andraisany andraikitra manoloana ny tsy fanajàna ny lalam-panorenana... ♦ Tale 32 tao amin'ny Jirama no voalaza fa nisitraka tambikarama hatrany amin'ny 1 180 tapitrisa Ariary. Tonga nanara-maso ny fizotran'ny raharaha eny amin'ny PAC ny solotenan'ny mpiasa...
♦ Mitaky ny hamerenana ireo volabe natao "Prime exceptionnelle" ho an'ny mpitantana ambony tao amin'ny JIRAMA, ny mpiasa eo anivon'ity orinasam-panjakana ity... ♦ Mitaky ny handravana ny Governoram-paritra ny Rodoben'ny mpanohitra, tao aorian'ny nilazan'ny Filohan'ny HCC fa tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ny fisian'izy ireo... ♦ Ny 90%-n'ny mponina ao Taolagnaro no milaza fa tsy afa-po ary tsy mitondra voka-tsoa ho azy ireo ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM, araka ny tatitra navoaka androany...
Ny maha olom-pirenena dia ny fifanajàna, ny filaminana, izay vokatry ny fiainana ny fahamarinana, ary ireo telo ireo dia mifaningotra. Mba hisian'ny fitohizan'ny fitantanana sy ny fitondrana ny firenena dia ilaina ny fifanajana, indrindra eo amin'ny fifampitondran'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary ny teknisiana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Tsy tratra hatramin'izao ny tanjona tamin'ny tolona 13 mey 1972, izay feno 50 taona katroka amin'ity taona ity, hoy ny mpikambana ao amin'ny hetsika 13 mey, izay hanamarika izany... ♦ Mihoa-pampana ny vola ampiasain'ny kandidà filoham-pirenena sy ireo mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra, ka namolavola tolo-dalana iray entina hamerana ny fandaniam-bola amin'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Brunelle... ♦ Mitentina 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola avy amin'ny AFD hanatanterahana ny tetik'asa KOBABY. Kaominina miisa 26 ao amin'ny Faritra Diana no voakasiky ny tetik'asa...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco