Alakamisy 22 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9

"Aleo enjehin'ny omby masiaka, toa izay enjehin'ny eritreritra", tsy mandry ny feon'ny fieritreretan'i Herôda, noho ny zava-bitany vokatry ny saina tsy mandinika kely akory, fa nanaiky ny filana ara-nofo be fotsiny. Misy feo manitikitika azy avy any anatiny noho ny fahotana vitany. Izany tokoa no tonga amin'ny fitenenana hoe "Aza manao ratsy ihany", fa tsy avelany handry andro aman'alina ianao. Nandre ny lazan'i Jesoa i Herôda ka tsy nandry ny sainy, ny olona manodidina azy koa nanampy trotraka samy nilaza izay fahafantarany azy. Ny marina tokoa tsy mba maty, ka na dia notapahan-doha aza i Joany dia indro i Jesoa, ilay Marina, nanitikitika ny feon'ny fieritreretan'i Herôda. Anisan'ny fomba itenenan'Andriamanitra amintsika mantsy io feon'ny fieritreretana io, ka mila fanadihadiana sy fandanjalanjana lalina amin'izay atao mba tsy ho henjehiny eny amin'ny andavan'androm-piainantsika eny isika, tahaka an'i Herôda, satria "ny soa atao tokoa, levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona', koa samia mitandrina àry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...