Alatsinainy 19 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 16-18

Zava-marina no amabran'i Kristy mahakasika ny fampiasana ny jiro. Iza tokoa no olona hendry ka hampirehitra jiro any ambany farafara, fa tsy maintsy eny ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava ny ao an-trano. Fanoharana ihany no entin'i Kristy fa ireo vahoaka izay mihainoa azy no tiany hahatsapa fa fahazavana eo anivon'ny manodidina azy, izy ireo. Tsy mety ny manafina ny fahazavana izay efa misy ao amin'ny tena, fa tsy maintsy aseho hanome hazavana faran'izay tratra eo amin'ny manodidina. Ary fanomezana faran'izay tratra io no tena tian'i Kristy havoitra. "Tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra". Koa meteza àry, ho fahazavana mandrakariva noho ny Batemy noraisina sy noho ny maha kristianina, mba hanome hazavana ho an'izay manodidina anao mba tsy ho maizina am-pototry ny jiro izy ireny, fa tena hahita marina ny maha kristianina anao.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...