Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 20, 4-10)

“Niaiky ny finoany ilay vahoaka voafidy”.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

Horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao,
ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitrao.

Ary hiteny eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao ka hanao hoe:

Ny raiko dia Arameanina efa saika maty;
nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany;
tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Mafy ny nitondran’ny Ejipsianina antsika, fa sady nampahory antsika izy,
no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

Koa nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika,
dia nohenoin’ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika,
sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,
ka tanana mahery, sandry ahinjitra,
fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana,
no namoahan’ny Tompo antsika avy tany Ejipta.
Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy,
ary nanome antsika an’ity tany ity,
dia tany tondra-dronono sy tantely.
Koa ankehitriny, ry Tompo,
inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy.
Dia hapetrakao eo anoloan’ny Tompo Andriamanitrao izany,
ka hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 90, 1-2. 10-11. 12-13. 14-15

Ombao aho, ry Tompo, amin’ny androm-pahoriako.

Monina ao amin’ny efitry ny Avo
sy mitoetra amin’ny alok’ilay Mahery
ny olona manao hoe:
“Ny Tompo no mandako,
Andriamanitro, aroko sy tokiko!”

Ny anao, ny Tompo no ifefena,
ilay Avo no ialofana:
koa tsy tratran’ny antambo ny tena,
tsy akekezin’ny loza ny fonenana.

Ny Anjeliny nomeny baiko ny aminao
hiaro amin’ny lalana rehetra:
ka ireo dia hitrotro,
ndrao ny tongotra tafintohina;
ny bibidia, ny menarana diavina;
ny vanto-diona sy dragona hitsahina.

Miraikitra amiko izy, ka vonjeko;
mahalala ny Anarako, dia arovako:
raha miantso, valiako;
raha ory, tsy ilaozako.
Eny, izaho manafaka azy,
mandray amin’ny fanasàko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 10, 8-13)

Raha mino an’i Kristy ho Tompo ianao dia ho voavonjy.

Ry kristianina havana: hoy ny voalazan’ny Soratra Masina:
Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao,
dia ny teny finoana izay torìnay.
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:
Izay mino Azy tsy mba ho menatra.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily;
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)

Nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy, ary nalaina fanahy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina
ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,
sady nalain’ny devoly fanahy Izy,
no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany;
ka noana nony tapitra izany.
Dia hoy ny devoly taminy:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra”.

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy,
ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,
ary hoy izy taminy:

“Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny,
satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.
Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy”.

Fa izao no navalin’i Jesoa azy:

“Efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy,
ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any;
fa efa voasoratra hoe:
Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,
ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.

Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly,
dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mahatsapa ankehitriny noho ny hazakaza-dava sy ny vesatry ny fiainana, ny fahasahiranana ara-piainana, ny mozika sy ny tabataba be tsy ifandrenesana ka tsy hahafahana mihaino ny feon'ny fieritreretana sy ny bitsiky ny Fanahy Masina, ny vokatry ny fandrosoana sy ny fanatontoloana mirimorimo mafy loatra. Maika lava ny olona ankehitriny ka tsy mahari-pery... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa, ary Izy no mhatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Mivavaka ho antsika i Jesoa, eo amin'ny toerantsika sy ho amin'ny tombontsoantsika. Voaravona indray maka tamin'ny antsony mahery teo amin'ny hazofijaliana sy neken'ny Ray tamin'ny fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Nahatsiaro ny Colonnel Ratsimandrava izay tia tanindrazana ny Malagasy tamin'ny 11 febroary. Zava-dehibe ny fivondronana hiady amin'ny fifankahalàna, entina hisedra ny sakana sy ny ady amin'ny fahantrana. Ny fitsinjovana ny zon'ny ankizy sy ny tanora ary ny fianakaviana dia hafatra lehibe napetraky ny Ray Masina François ; ilaina ny fanasongadinana ny firaisan-kina mba hampandrosoana ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

  • Hofantatra mandritra ny fivoriamben'ny Vondrona Afrika andiany faha-38 atao any Adis-Abeba renivohitr'i Etiôpia izay ho filoha vaovaon'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina. Manana kandidà mifaninana amin'izany i Madagasikara dia Andriamatoa Randriamandrato Richard...
  • Nampiasa fitaovam-panjakàna nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny kandidà ben'ny tanàna Joro tao Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry. Antony nanafoanana manontolo ny vato azony nandritra ny fifidianana hoy ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ao Toamasina...
  • Mbola hitohy ny rotsak'orana mandritra ity faran'ny herinandro ity hoy ny Météo Malagasy. Ho betsaka izany ny alin'ny alahady ho an'ny faritry ny afovoan-tany, Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra...
  • Vonona ny hifampiresaka amin'ny Rosia i Ukraine hoy ny filoha Okranianina...

Alahady faha-6 mandavantaona — D : Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Sambatra izay mitoky amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olombelona, izay mitory fampitandremana ho an'ireo mpanompo sampy, anefa ihany koa fampaherezana ireo izay mitoky amin'izy Tompo. Manery antsika hanao safidy ny tenin'Andriamanitra izay omena antsika amin'ity alahady faha-6 ity : Hozana sa tso-drano, fanantenana sa famoizam-po, hasambarana sa loza. Ny sitrak'Andriamanitra dia ny lalana mitondra amin'ny famonjena...

  • Miharatsy hatrany ny tontolon'ny demôkrasia eto Madagasikara hoy ny antoko TEZA. Tsy misy intsony ny fahafahana maneho hevitra sy ny fitakian-jo ho an'ny olom-pirenena. Isan'izany hoy ny filoha nasiônaliny ny zava-nitranga tao Vatomandry sy ny tany Antsiranana...
  • Nijojo ny orana teto an-drenivohitra omaly takariva. Nitohy hatramin'ny alina. Hahazo vahana hatrany izany oram-pahavaratra izany hatramin'ny faran'ity herinandro ity hoy ny météo Madagascar...
  • Zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hamahàna ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara. Nivory nandinika ny momba izany teto an-drenivohitra ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fananan-tany...

Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

• Tsy misy demokrasia vanona eto Madagasikara, raha tarafina amin'ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko Teza... • Mila hamafisina misimisy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny firaisamonim-pirenena, mba hamahana ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara, hoy ny SIF... • Tratra ny tanjona nokendrena tamin'ny tetikasa Jumelage, niarahan'i Frantsa sy Italia ary i Madagasikara nanatanteraka...

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

• Hikatona rahampitso 15 febroary ny fisoratana anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... • Efa nahitana fidinany eo amin'ny 200 Ariary eo ny vidim-bary ankehitriny, raha ny nambaran'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Ravan'ny Bianco ireo tambajotra mpanao hosoka eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola...

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy. Tontosa ny fihaonan'ny mpikamban'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha misahana izany eo anivon'ny Fiketrahana Masina... • Mbola fitaovan-tserasera manakaiky vahoaka indrindra ny Radio eto Madagasikara. Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Radio... • Nangataka fampiakarana 30% amin'ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ho an'ity taona 2025 ity ny CTM...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...