• Niantso ny Interpol sy ny FBI ary ny Aviation Civile iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy, noho ny raharaha Boeing mitondra laharana malagasy any Iran. Nanazava ny momba izay ny Praiminisitra androany... • Mety hanova ny fanapahan-kevitr'Andriamatoa Donald Trump momba an'i Madagasikara ity raharaha fiaramanidina tafiditra any Iran ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray. Nambarany fa asa 7 alina farafahakeliny no mety ho very eto Madagasikara anatin'ny AGOA... • Handray ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika amin'ny taranja Karate i Madagasikara amin'ny taona 2026. Nampahafantatra izany ny Filohan'ny Federasiona androany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...