• Hivoaka ny fonja anio Rakotorova Rabetsara na Ralita, rehefa nofonjaina 15 volana. Amin'ny 12 aogositra kosa ny fitsarana an'i Elia Rabevahiny sy ireo namany miisa 5... • Nofaranana omaly teny Ankatso ny fandravonana ireo lohahevitra tsirairay noraisin'ireo Oniversite tsirairay tamin'ilay hetsika “Mois des Universités en Dialogue”. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin'ny fototra ka hatramin'ny ambaratonga ambony... • Mbola tsy mety hiravona ny olan'ny Ligin'Analamanga eo amin'ny taranja Echecs sy ny Federasiona Malagasy eo amin'io taranja io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...